Jean Aime Andriamihaja

Jean Aime Andriamihaja Fampianarana, hampaherezana,torohevitra, fifandraisana.Fitoriana filazantsara.

24/12/2025
"Notendrena ho mpanjaka"Ao amin'ny fanavotana ,dia mpanjaka isika.Izany no plan'Ilay Mpahary hatrany ampiandohana ho ant...
03/12/2025

"Notendrena ho mpanjaka"
Ao amin'ny fanavotana ,dia mpanjaka isika.
Izany no plan'Ilay Mpahary hatrany ampiandohana ho antsika.

🕗Anio amin'ny 12H00' isika no hanomboka ity fampianarana ity.

📌Eto amin'ny Rhema Sel de la Terre Tsararivotra Vangaindrano.

Tongava maro.

AZA HADINO FA MANOMBOKA Alakamisy 27/11/2035,Mifarana Alahady 30/11/2025, Ny fotoana FARAFANGANA
24/11/2025

AZA HADINO FA MANOMBOKA Alakamisy 27/11/2035,Mifarana Alahady 30/11/2025,
Ny fotoana FARAFANGANA

20/11/2025

MBOLA MISY ANTENAINA NY AMINAO RAHA MBOLA VELONA !

Efa nalefako pub teto fa io hevitra io no toriteny ampitondraina ahy amin'ny Alahady ao amin'ny Fiangonana Ambonifahidrano, NEFA azonao jerenena eto amin'ny page koa amin'io Alahady io.

FA AN'IO DIA HIZARA FAMITINANA KELY AMINAO AHO!

I)AHOANA NO ILAZANA FA MBOLA MISY ANTENAINA NY AMINAO ?

Mpit9:4:Fa izay rehetra isan'ny velona dia mbola hantenaina !!
-Misy hevitra roa no azontsika eto:

1)And3 dia milaza izy fa misy amin'ny zanak'olombelona dia feno ratsy ny fony Mandritra ny andro iainany, ka rehefa afaka izany dia hoany amin'ny maty izy.
EO INDRINDRA no ilazany fa na adala tahaka ny ahoana io olona io, nefa mbola velona dia MISY ANTENAINA NY AMINY.
(Tsy mbola tara raha mbola velona izy ! Ilay Jiolahy teo amin'ny hazo fijaliana 5mn alohan'ny ahafatesany no tafahaona tamin'ny Mpamonjy)
-IO OLONA KAIKY ANAO IO MBOLA MISY ANTENAINA !!
-Misy olona fantatro zay tsy misy olona manatena azy intsony fa mbola hiova...
Satria mbola velona izy, dia GAGA ny olona rehetra nahalala azy hoe: Niova ve ??
-MBOLA MISY ANTENAINA NY AMIN'I ZANY OLONA IZANY RAHA MBOLA VELONA IZY.

2)Hianao izay ao anaty ady sarotra, Raha ny fijerianao azy dia:
EFA TSY MISY FANATENANA INTSONY NY AMINAO raha ny zava-misy ??

-MBOLA VELONAINA ANEFA IANAO ZAO !
Aoka ho azonao tsara io andinin-tsoratra Masina io aloha..
NY FAHAVELOMANAO DIA FANATENANA amin'ireo zavatra mbola tsy Tanteraka teo amin'ny fiainano.
-Ary hamafisiko tsara aminao fa: Rehefa mpino ianao ka mbola velonaina dia :Tsy foana ny fanantenanao(Ohab23:18)
-Aza mba ho isan'izay rebireben'i Satan aloha ny fotoana ianao..
Fa hoavy io zavatra andrasanao io. Rehefa MIREHITRA amin'ny fanatenana hianao.
Fitomania 3:25: Tsara Jéhovah amin'izay manantena Azy dia izay olona mitady Azy.

MISY DIKANY AMIN'NY HOAVINAO SY NY FANATENANA ZAO FAHAVELOMANAO IZAO
Hi hi !!! Amen !

Fifaliana ho anay ny manasa anao ny Alahady 23 Novambra ho avy izao. Fifaliana Lehibe any an-danitra raha misy mpanota i...
19/11/2025

Fifaliana ho anay ny manasa anao ny Alahady 23 Novambra ho avy izao.

Fifaliana Lehibe any an-danitra raha misy mpanota iray mibebaka.

Fotoana lehibe anasana antsika eto Farafangana.📖Seminera Lehibe, iarahana amin'i Pasteur RAZAFIMAMPIONONA Mivady.📅28-29-...
18/11/2025

Fotoana lehibe anasana antsika eto Farafangana.

📖Seminera Lehibe, iarahana amin'i Pasteur RAZAFIMAMPIONONA Mivady.

📅28-29-30 Novambra 2025.
‼️Fanamarihana
📅27 Novambra, manomboka amin'ny 9 ora maraina ny fivorian'ny Pasitera rehetra aty amin'ny Zone ATSIMO ATSINANANA.

📌Rhema Sel de la Terre Marofatsy Farafangana.

Manasa antsika tsy ankanavaka ho tonga , hanovo fahasoavana !

📖"OMEO LANJA NY TENIN'ANDRIAMANITRA",📖Tena fitahiana tokoa ny fanomezana tombam-bidy ambony ny TENIN'ANDRIAMANITRA.Ny ma...
17/11/2025

📖"OMEO LANJA NY TENIN'ANDRIAMANITRA",📖

Tena fitahiana tokoa ny fanomezana tombam-bidy ambony ny TENIN'ANDRIAMANITRA.

Ny mahonena, dia verin'ireo mpanaraka an'i Kristy ireo zava-tsoan'ny TENIN'ANDRIAMANITRA!

Aleon'izy ireo tsy manana Baiboly , toy izay tsy hahazo zavatra hafa!

Na ananan'izy ireo aza ny Baiboly, dia efa nifidy handany fotoana amin-java-kafa izy toy izay hamaky sy handinika ny Soratra Masina.

Efa reraka ny sasany mihaino ny mpitandrina izay mikely aina amin'ny fampianarana ara-tSoratra Masina, ny finday eo an-tànany no ifantohany bebe kokoa na dia eo ampihainoana toriteny aza.

Fotoana ihainoana tsara ny fotoan'ny fanazavana Soratra Masina , tsy tsapan'ny olona izany!
Miresaka amin'ny olona akaikiny izy ireo, mivoaka-miditra ny trano izy ireo. Very ny fientanentanana fahiny isaky ny fivoriam-bavaka.

Toa lasa mitantara an'i Trimobe sy Fara ireo mpitondra ny hafatry ny Tompo eo anatrehany , lasa toa angano mampatory azy ireo ny toriteny.

Efa fanao mahazatra ireo be taona tao ampiangonana ny mihaino toriteny,ka efa tsy maharotitra azy intsony izany, aleony mamaly "messages" ao amin'ny findainy raha ohatra ka tokony handray an-tsoratra ny toromarika omen'ny TENIN'ANDRIAMANITRA izy.

Tsy mahagaga raha ohatra ka , marefo ara-panahy ny Kristiana sasany!

Anisany antony lehibe izany mahatonga ny fahendren'Andriamanitra tsy hita soritra intsony.

Ny TENIN'ANDRIAMANITRA, io no fototra maha Kristiana ny Kristiana!

Hafatra:
Josoa 1:8.
8. Aoka tsy hiala amin'ny vavanao ity bokin'ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman'alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin'izany dia hahalavorary ny lalanao ianao sady hambinina.

15/11/2025

Avec Pasteur Razafimampionona – J’ai une série en cours ! Je suis super fan depuis 10 mois d’affilée. 🎉

Ny Olona nateraka indray dia notendrena handresy izao tontolo izao.Fampianarana harahintsika ny Alahady ho avy izao.
13/11/2025

Ny Olona nateraka indray dia notendrena handresy izao tontolo izao.

Fampianarana harahintsika ny Alahady ho avy izao.

Address

Tribunal-Tanambao Ampasy
Vangaindrano

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Jean Aime Andriamihaja posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category