Gasy Milalao Chess

Gasy Milalao Chess Hey ! Mate moi ça ♟️
Partage . Promotion . Événements. . .

Ny hoavin’ny taranja échecs ! Mahafaly sy mampahery ny mahita ny fandraisan’anjaran’ireo ankizy maro amin’ny taranja éch...
01/05/2026

Ny hoavin’ny taranja échecs !
Mahafaly sy mampahery ny mahita ny fandraisan’anjaran’ireo ankizy maro amin’ny taranja échecs eto Madagasikara (mahery ny 260 mpandray anjara).
Mankasitraka ny Minichess Madagascar tamin’ny fikarakarana sy ny ezaka ataony amin’ny fampiroboroboana ny taranja.

Kozy vrai !Misy atao hoe "Dragon" @ lalao échecs 😁. "Variante du Dragon" ihany koa moa no filaza azy. Izy ity dia fomba ...
15/04/2026

Kozy vrai !
Misy atao hoe "Dragon" @ lalao échecs 😁. "Variante du Dragon" ihany koa moa no filaza azy. Izy ity dia fomba filalao mahery setra ao anatin’ny "défense Sicilienne".
Miseho izy io aorian’ireto filalaovana manaraka ireto (lamina mahazatra) : 1. e4 c5 2. Nf3 d6 3. d4 cxd4 4. Nxd4 Nf6 5. Nc3 g6

Ahitana ny fametrahana ny "fou" mainty amin’ny g7 (fianchetto). Ny maha tonga an'io anarana io moa dia noho ny firafitry ny "pion" izay mitovy endrika amin’ny "constellation du dragon".

Ny "variante du dragon" dia mamokatra lalao mampientam-po satria samy manafika tsy an-kijanona ny andaniny sy ny ankilany. Tena mety ho an’ny mpilalao tia lalao mihetsiketsika sy tetika lalina !
Iza aminareo no tia mampiasa anio "variante io" ?

12/04/2026
Misokatra ny taom-pilalaovana !
10/04/2026

Misokatra ny taom-pilalaovana !

'Zany hono !?Ny milalao échecs dia afaka mampihena tokoa ny haavon’ny adin-tsaina.Rehefa milalao ianao dia miditra amin’...
09/04/2026

'Zany hono !?
Ny milalao échecs dia afaka mampihena tokoa ny haavon’ny adin-tsaina.

Rehefa milalao ianao dia miditra amin’ny toe-javatra antsoina hoe “flow state” ny sainao. Izany hoe fifantohana lalina mitovitovy amin’ny fisaintsainana (méditation), ka manampy manilika ireo ahiahy sy tebiteby ivelany.
Io fifantohana mafy io, miaraka amin’ilay fahatsapana fahafaliana (dopamine) azonao rehefa mahita "coup gagnant", dia manatsara ho azy ny toe-po sy mampitony ny rafi-pitatitra ny saina.

Amin’ny manaraka rehefa mahatsiaro ho trotraka ianao, ajanony ny zavatra hafa fa manandràma milalao échecs vetivety ! Sa ahoana hoy ianao ?

Kozy vrai !Ny taranja échecs dia lalao miorina amin’ny lojika, lamina ary rafitra mazava. Singa izay mahatonga fahatsapa...
02/04/2026

Kozy vrai !
Ny taranja échecs dia lalao miorina amin’ny lojika, lamina ary rafitra mazava. Singa izay mahatonga fahatsapana filaminana sy fanentanana ho an’ny ankizy sy ny olona "autistes".
Tsy toy ny fanatanjahantena iombonana hafa ny échecs. Satria dia ahafahan’ny ankizy mandroso araka ny hafainganam-pandehany manokana, ka mampihena ny tebiteby ara-tsosialy sady manampy amin’ny fifandraisana amin’ny hafa.
Amin’ny alalan’ity lalao ity, ny olona autistes dia mampivelatra fahaiza-manao fototra toy ny fandrindrana, ny fahaizana mifanaraka amin’ny toe-javatra ary ny faharetana ao anatin’ny tontolo voalamina sy azo vinavinaina tsara.

'Zany Hono !?Ny fanaovana ny taranja échecs dia manampy amin'ny fahatsaran'ny torimaso amin'ny ankapobeny. Ahoana ny hev...
31/03/2026

'Zany Hono !?
Ny fanaovana ny taranja échecs dia manampy amin'ny fahatsaran'ny torimaso amin'ny ankapobeny.
Ahoana ny hevitrao ?

21/03/2026
Tournoi interscolaire à Moramanga à l'occasion de la journée des écoles.Mate moi ça ♟️
20/02/2026

Tournoi interscolaire à Moramanga à l'occasion de la journée des écoles.
Mate moi ça ♟️

MOC Chess Season Etape2  '’La victoire  c’est donner le meilleur de vous-même ''
20/02/2026

MOC Chess Season Etape2 '’La victoire c’est donner le meilleur de vous-même ''

09/02/2026

Address

Moramanga

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Gasy Milalao Chess posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category