25/10/2025
🧠📢Tena resy lahatra fa mila manova rafitra marina.
ity ny tantara:
Mba lasa Nampiofana tantsaha momba ny fanaovana zaridaina maroloko (legioma) ny tenanay tamin'ny 1 volana lasa🥕🥬🫑🍆🥦🧄🌶️🍅 tany TSITONONOKO ANARANA.
Dia niara-namboly, nifamaly sy nifametraka fanotaniana izahay.
Nahazo toky aho fa hoe hanao zaridaina valatahaka iombonana zareo ka io toerana nambolena io no hitarina hapitomboana.
📅Tonga nitsidika tany izahay afaka ray volana taorian'izay, akory anefa ny hagagana fa nivadika voly mangahazo indray no eo toerana🤣.
Tsy aritra intsony dia nanotany azy ireo aho hoe nifindra aiza ny fambolena vitantsika teto iny hoy aho?
Namaly izy ireo hoe tsy nisy nanondraka hono no sady nalain'ny tompony ny tany.
Nefa hotrany ny sefo fokontany no tompony no izy koa anisany niara-niofana teo t@izay andro.
Marina ny azy fa hoe mangahazo mahavita taona nefa kosa ny legioma fandray maika.
Soloy ilay pdt fkt ka..🤣