29/11/2025
CARNAVAL :
OLOMPIRENENA VAGNONO, FIARAHA-MONINA MIVOATRA , TONTOLO IAINANA MILAMIGNY
Inona ma atao olom-pirenena zegny?
Zah, anö, samy olom-pirenana aby. Ologno tsy mizaha foagna fa managna andraikitry amin'ny firenena, miasa mba hiaro ndreky hampivoatra bebe kokoa ny tany misy izy, tsy tia tegna fa mizaha ny raha hampanjary olo jiaby.
Olom-pirenena vagnono?
Modely ho an'ny manodidigny izy, miaro ny tontolo iainagna, tsy mpampiady fa mpandamina, tia mizara, mandà kolikoly ndreky fagnitsakitsahagna zon' olombelona, tsy magneky taritigny amin'ny raha tsy manjary, ary vognono hiaro ny tanindrazany.
Tamberinandraikitry?
Zonao ny mangataka fagnazavagna mikasiky ny fandehan'ny tetikasa nampanantenaigny ho atao amin'ny faritry misy anö, ny mahay ny vola nampiasaigny tamin'izegny ndreky irô mitantagna izegny. Izkoafa mampanantegna ny mpitariky dia tokony hagnatanteraka.
Fitakiagna ny mangarahara?
Ara-drariny raha zegny, tsy mandika làlagna aby. Zonao ny mahay ndreky mitaky ny marina amin'ny fanapahan-kevitra raisina ho an'ny firenenao.
Ary amin’ny lalàna Malagasy, dia voarakitra mazava ao anatin’ny Lalàm-panorenana izany: ny Andininy faha-11 milaza fa “zon’ny olona rehetra ny hahazo vaovao”, manamafy fa tokony ho mangarahara foana ny fanapahan-kevitra raisin’ny fitondrana, afa-tsy amin’ny antony ara-dalàna voafaritra.
Ary ao amin’ny lalàna 2014-020, andininy 37 dia voasoratra fa tokony hanome tatitra tsy tapaka amin’ny vahoaka ny mpitondra eo an-toerana.Midika izany fa ny tamberin’andraikitra sy ny mangarahara dia tsy fangatahan’ny olompirenena fotsiny, fa tena zo ara-dalàna sy adidy fototra ho an’ny mpitondra.
Madagasikara mivoatra kokoa no ilaina, firenena lavitry ny kolikoly, ny fanavakavahana ary ny fanimbana maro samihafa, miara-miady ho amin’ny soa iombonana.
Tontolo iainana ?
Tsy voatery ala kitroka na biby anaty ala fa io manodidna anao ao an-tokantrano io, ety an-tsena, any am-piasana, tontolo iainana daholo izany. Eritrereto hoe toerana milamina, madio tsara no ivantananao rehefa tonga any an-trano na rehefa tonga aty an-tsena ?! Ilaina sady mahasalama ny fahadiovana, na ny fahadiovana anaty, ara-tsaina io na ny fahadiovan’ny tontolo iainana aty ivelany.
Tanora mahazo hon-draha , tanora vôgnono hanôva raha.
Hanterigny lahabiny ny tsara eee , zaraintsika ny fahazavagna. 🔥
Vato Fototra
ONG Ivorary
Orange
Association LCM - Madagascar
Diego Nintsika Jiaby
Olympia Academy
Initiative objectif des volontaires d'Antsiranana -IOVA
Renaud Clics
DRCC DIANA - Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina
Commune Urbaine De Diego
Préfecture d'Antsiranana
Gouvernorat de La Région DIANA
Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina