Ntsoa Arbitre - Pejy Ofisialy

Ntsoa Arbitre - Pejy Ofisialy 📢 Mitady arbitre matihanina ho an’ny lalaonareo ve ianareo?

Vonona handray fiarahamiasa amin’ny :
✅ Orinasa
✅ Organisateur
✅ Fikambanana samihafa
✅ Lalao ara-pirahalahiana
✅ Tournoi sy compétition isan-karazany
🎯 Serivisy matihanina,
📞 034 69 331 20

02/06/2026
"FITAKA sy HEVI-PETSY"Nisy Lehilahy lehibe iray, niangavy ahy mba hitondra ny Boay kely hanao baolina any amin-dry zareo...
02/06/2026

"FITAKA sy HEVI-PETSY"

Nisy Lehilahy lehibe iray, niangavy ahy mba hitondra ny Boay kely hanao baolina any amin-dry zareo any ambanivohitra. Nilaza izy fa tsy asiana « Retour » ilay « Match » fa « Aller » ihany. Ary ny vidim-pidirana voahangona dia hividianan-dry zareo « Maillot ». Fa ny sakafonay kosa no hiantohany.
- Eny ! Hoy aho. Kotrana ho an’ny Boay kelinay ihany ‘zany, sady fanampianay anareo. Saingy raha misy dian-tongotra, vao tonga any aminareo, dia tsy afaka ho any izahay”
- Aza matahotra ianao fa tsy misy dian-tongotra kah!
- Tonga eny amin’ny « Terrain » mihitsy ve ny tômôbile ?
- Misy kely tsy afaky ny fiara kah !
- Mialatsiny fa tsy afaka mandeha any indray izahay tompoko !
- Ilay izy anie tsy lavitra Ramose e ! Akaika kely ! Tsy misy atao 5 minitra akory. 10 minitra raha ela indrindra.
- Eny àry ! Hoy aho, rehefa avy naka toky tsara.
- Aleo asiana taratasy mba hasehoko an-dry zalahy any tanana Ramose a ! Hoy izy, naka toerana teo anilako.

Ny Alahady maraina. Niainga izahay 18 lahy. Dia ry zalahy mpilalao, miarak’amin’ny Mpanazatra iray nanampy ahy.
- Eto ny lalana farany afaky ny tômôbila, ka mbola hiandry mpitsena isika sa tonga dia andeha ? Hoy ny Mpamily.
- Ay ianareo ilay Mpanao baolina avy Miarinarivo ? Izaho no nirahana hitsena anareo kah !

Nahidina ny entana. Nidiana ny varavaran’ny fiara. Roso ny dia.
Natosiky ny Bandy kely tamin’ny Seza misy kodiarana aho. Sahabo ho 50 metatra ihany anefa dia namakivaky tanimbary avy eo. Niita lakan-drano. Nihanika havoana.

Lany ny 20 minitra. Saingy tampon-tanety mitomandavana indray no novantanina.
- Fa aiza ilay toerana ?
- Ao ambadika kely ao !
Nimonomonona ny Bandy kely. Totoafo ny fanontaniana... ... ...
- Io leitsy M***a hatero ry zareo, fa izaho mbola hanjaitra geda a ! Hoy ilay mpitari-dalana mantsy ity tovolahy iray nifanena taminay.

Natosika tamin’ny « seza misy kodiarana » indray iaho satria mba mahitsihitsy ny lalana. Nolanjaina kosa rehefa misy teritery sy rakotra bozaka.

Lany ny 20 minitra faharoa. Tapitra ilay vahalava nangadiady. Saingy mbola lohasaha sy lalan-kirifatra indray no nitsena.
- Fa aiza ihany e ! Mbola lavitra ngaha ?
- Efa akaika kah !
Hitako reraka ny Boay kely. Noana. Nangetaheta. Izaho kosa na maina aza ny tenda dia tsy nitsahatra nanefotefoka ity lehilahy mitafy hodin-tsokatra.

Asa na tetika efa nomanina fa :
- Ireto mba ento kely Datoa, fa aleo handrasiko ny ombinao a ! Hoy ilay io, mantsy ity rangahy nijinja vilona teo amoron-drano.

Nitohy indray ny dia, rehefa avy nisotro rano. Samy tsy nisy niteny intsony. Navadika ho fifaninanana mahafinaritra ilay nibaby ahy sy niloloha ilay seza misy kodiarana.

Lany indray ny 20 mn fahatelo. Ketraka sy tafatorombina ny rehetra. Mba nahatazana tanana ihany saingy mbola ery ampita lavitra be tsy takatr’antso.
- Fa ahoana izao rangahy ‘ty a ! Sao dia mba tsy rariny intsony kosa e ! Hoy aho, nampiaka-peo, nisafoaky ny hatezerana.
Tsy namaly Ra-Datoa, fa nihatakataka nanalavitra anay fotsiny... ... ...
- Efa tonga ianareo kah ! Itsy ambadika itsy ny kianja. Hoy ny feo nivoaka avy ao anaty taretra.
- Lehilahy lehibe mpandainga, mpamitaka ! Hoy aho, nanodina ny lohako tany amin’ilay toerana notondroiny.

Saingy…
Gaga aho. Nalahelo ihany koa. Nitsaha-ketriketrika hoatry ny sosoa voatapo-drano nahita ity kianja, miavoavo hoatry ny vohon-tsotro. Sy ireo tovolahy maromaro misomebiseby mitaona bozaka, mikapa hazo, mihady lavaka hananganana tsatòka hanaovana « but ».

Betsaka no azo resahana sy tsoahina tamin’ity Dianay ity. Saingy ny tsy aritro sy ny tsikaritro dia ny fitantanana ny Firenena ihany koa matetika no mitovy amin’ity tranga ity. Satria : « Rehefa mimenomenona, ny Vahoaka, noho ny fahadisoam-panantenana (fitaka sy hevi-petsy), dia ny fanoloana ilay Mpitarika (Ministra, sns) no hany vahaolana hitan’ny Mpitondra.

✍️ALTHERA – 01 Jona 2026
Ranarison Therre Alphonse

⚽🌹 FETIN'NY RENY 2026 🌹⚽Amin'izao andro natokana hankalazana ny reny izao, ny pejy Ntsoa Arbitre dia mirary Fetin'ny Ren...
31/05/2026

⚽🌹 FETIN'NY RENY 2026 🌹⚽
Amin'izao andro natokana hankalazana ny reny izao, ny pejy Ntsoa Arbitre dia mirary Fetin'ny Reny sambatra ho an'ireo reny rehetra.
💖 Mankasitraka anareo amin'ny fitiavana, ny fahafoizan-tena ary ny ezaka ataonareo isan'andro ho an'ny ankohonana sy ny fiaraha-monina.
🌷 Ho tahin'Andriamanitra anie ianareo, ho salama mandrakariva, ho sambatra ary ho feno fiadanam-po sy fifaliana.
Ny reny no mpitsara voalohany mampianatra ny rariny, ny fanajana ary ny fitiavana eo amin'ny fiainana.
🎉 Mirary Fetin'ny Reny sambatra sy feno fitahiana ho an'ny reny rehetra! 🎉
**— Ntsoa Arbitre

⚽ “Ny rariny sy ny fahaiza-mitsara no maha matihanina anay.”🏆 “Mr Ntsoa Arbitre — miaraka aminareo amin’ny lalao rehetra...
29/05/2026

⚽ “Ny rariny sy ny fahaiza-mitsara no maha matihanina anay.”
🏆 “Mr Ntsoa Arbitre — miaraka aminareo amin’ny lalao rehetra.”
🔥 “Raha mila arbitre matotra sy azo itokisana, eto no safidy tsara.”
🤝 “Mandray fiarahamiasa amin’ny organisateur, club ary fikambanana.”
🎯 “Fitsarana madio, lalao milamina.”
⚡ “Ny kalitao sy ny discipline no mampiavaka anay.”
👏 “Araho ny pejy hahazoana vaovao sy hetsika ara-panatanjahantena.”
🥇 “Arbitre manakaiky ny mpilalao sy ny mpankafy.”
📢 “Vonona hanampy amin’ny tournoi sy lalao ara-panatanjahantena rehetra.”
❤️ “Ny fanatanjahantena mampiray antsika"

🟢 𝗛𝗮𝗻𝗮𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 É𝗡𝗘𝗥𝗚𝗜𝗘 𝗡É𝗚𝗔𝗧𝗜𝗩𝗘 𝗮𝗼 𝗮𝗻-𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼.Raha te hahafantatra fa misy énergie négative ao an-trano dia maka clou de gi...
28/05/2026

🟢 𝗛𝗮𝗻𝗮𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 É𝗡𝗘𝗥𝗚𝗜𝗘 𝗡É𝗚𝗔𝗧𝗜𝗩𝗘 𝗮𝗼 𝗮𝗻-𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼.

Raha te hahafantatra fa misy énergie négative ao an-trano dia maka clou de girofle iray tsy mitapaka.
Maka rano 1 vera, mety foana na amin'ny paompy na rano vidina amin'ny tavoahangy na rano mandeha.
Apetrakao amin'ny toerana ao an-trano toy ny eo akaiky fandriana, am-baravarankely, an-tokonam-baravarana sns.
Raha mitsingevana dia misy énergie positive eo amin'ilay faritra nasianao azy, andraso minitra vitsivitsy fa raha milentika izy avy eo dia nisy énergie négative notrohany tao.
Raha tonga dia milentika moa izy dia betsaka énergie négative izay ny tranonao.

26/05/2026

Address

Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ntsoa Arbitre - Pejy Ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share