Tononkalo

Tononkalo Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Tononkalo, Event, Antananarivo.

13/10/2019

Niova

Taloha ianw tsy tinw ravao tsy asina ny anaranw ny compteko
Nalainw hatram code kou
Ny téléphone nw tamizany tena nanjakako
izay jerena de feno ny sariko
Akehitry nef'ianw tô niova
Tsy haiko hoe ny toerako no efa nisy nandova

Tô efa tsy mahay tezitra tsony ianw
Afatry oe aleo zoro ny lalanw
Nefa zavatra tsy de inona
No ndeh handravana ny fitiavana zay efa niorina

Nasinw sakay ny mason'i foko
Koa de tsy mahita zay mande eo alohako
Nojambainw tam fitiavanw aho
Koa de jamba tsy mahita ny ho asoloko anw

Raha nihaiko ho toizany ianw aty aoriana
Adala ve zaho hametraka ny foko hizaka fahorina
Ny tena loza de ianw le tsy miteny
Fa mitazona ny safidinw ho anao irery

Mbola manantena ny fiovanw😢😧🙈

27/09/2019

MOA VE ADALA

moa ve adala
Ilay foko nitia anao tsy nisalasala
Efa antaona no nijereko ny toetranw
Fa ny zavatra notsapako de tia ahy tokoa ianw

Nefa indrisy mantsy ny fatokisako sy ny foko efa lasanw
Vao zao hitako ny fiovanw
Na de zavatra kely aza de ndao isaraka fa tsy rariny ty ataonw
Ndray alina tsy ahafahako miresaka aminw noho olana amizao fiainan'izao
De zay no mampatezitra anw

Tezitra aho refa misy ataonw
Fa tsy izany no ataoko hisarahana aminw
Halaheloko iany zany eee
Nefa atao aona fa zany ny fiainana ety an-tany

28/08/2019

Ny fahanginako

Aza manara raotsa ny fahanginako
Sao de hisy fetran'ihany izy io ry fahignako
Ny vavako mangina
Fa ny foko sy ny saiko mimonomono tsy ho maraina tsy ho hariva
Ny tavako kontsan-dranomaso
Mbola hoavy ny valinasanw fa anjaso

Tsy manozona aho sanatria
Fa ny ratsy vita hanodina anw satria
Betsaka ny ranomasoko raraka tam tany
Ka izany tonga hitaraina any an-danitra any

28/08/2019

Tsy haiko ny tsy ho saropiaro

Tsy haiko ny tsy ho saropiaro tiako
Na mahita anw ts actif tsy zakako
Ny saiko tsy misaina zava tsara
Fa miaro ny foko izay tara

Tiko ianw de sarotiny aho ny aminw
Nefa raisinw zavatra hafa de aleoko iany amzao
Tsy fantako ny handaminako azy
Nefa hiezahako na de zany az

Lasa tonga vesatra sy nandrava ny tsikiko ny fahanginako
Nefa mahagaga tsy mety rava ny fitiavako
Tsy tantiko anef'izany
Nefa tsy maintsy hatao fa tiako hilamina ny sainy

12/08/2019

Diso fanantenana

Lay fitiavana mba nantenaiko
Nizary halahelo tato anaiko
Ny safosafo sy orokao hatramizay
To mizary vesatsa ato antsay

zany ve ny atao hoe fitiavana
Refa tsy anjara de tsy maintsy hilaozan'ilay sakaizana
Tsy tantiko izany
Nef'izany no fiainan'ety an-tany

Diso fanantenana tanteraka aho
Ka fanenenana no sisa azoko atao
Toy ny afo ny fitiavana
Ka raha tsapaina mandoro
Na ny fonao aza torotoro

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tononkalo posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category