Hakama - Hay Ady & Katrok'Ady Mada

Hakama - Hay Ady & Katrok'Ady Mada Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Hakama - Hay Ady & Katrok'Ady Mada, Antananarivo.

05/05/2026
🥋Tsy sakana velively ny taona eo amin'ny tontolon'ny hay ady.Finiavana sy saina io. Ka na firy taona na firy taona ianao...
04/05/2026

🥋Tsy sakana velively ny taona eo amin'ny tontolon'ny hay ady.

Finiavana sy saina io. Ka na firy taona na firy taona ianao vao manomboka dia hahazo fiovana tsara foana rehefa mazoto sy mianatra hatrany.

Tsisy mahakivy raha misy manahirana ny zavatra ianarana, raha misy tsy tadidy. Satria izay ilay mianatra.

Tsy ny mpiray kotrana aminao no hifaninananao, aza mampitahy anao amin'ny hafa fa samy manana ny lalany ny ao.

Ho hitanao sy tsapanao ny fivoaranao rehefa manohy sy mitozo ianao. Tsy ara-teknika ihany, fa na ara-batana koa ary; ary indrindra ny ara-tsaina.

🥋 Aza atao sakana ny taona.

01/05/2026

😁

iza ity zandrikely ity?
25/04/2026

iza ity zandrikely ity?

🥋 STAGE IAI-DOStage spécial IAI-DO misokatra hoan'ny rehetra sy tsy anavahana taranja.📍 Alahady 26 Aprily 2026 @ 7h30⛩ D...
24/04/2026

🥋 STAGE IAI-DO

Stage spécial IAI-DO misokatra hoan'ny rehetra sy tsy anavahana taranja.
📍 Alahady 26 Aprily 2026 @ 7h30
⛩ Dojo Soavimbahoaka akaikin'ny Gamo.

🥋 GI TOURNAMENT BATTLEMpikatroka miisa 135 no handray anjara amin'ity fifaninanana eo amin'ny taranja jiu-jitsu brésilie...
22/04/2026

🥋 GI TOURNAMENT BATTLE

Mpikatroka miisa 135 no handray anjara amin'ity fifaninanana eo amin'ny taranja jiu-jitsu brésilien ity.
Gi no hifaninanana ary ahitana ireo clubs maro avy eto Antananarivo, Antsirabe ary Toamasina.
📍Sabotsy 25 Aprily 2026 @ 9h
⛩ Palais des sports Mahamasina

🥋 Ny fanaovana étirement.Tena ilaina ny fanaovana étirement hoan'ny mpikotrana, na mialoha na aorian'ny fanazaran-tena i...
19/04/2026

🥋 Ny fanaovana étirement.

Tena ilaina ny fanaovana étirement hoan'ny mpikotrana, na mialoha na aorian'ny fanazaran-tena io.

👉 Mialohan'ny kotrana na koa ny combat no anaovana ny étirements dynamiques, tsy atao maharitra fa hanairana ny hozatra sy mampikoriana tsara ny rà ihany koa. Manampy koa amin'ny fihetsiky ny vatana tsy hiraikidraikitra.

👉 Aorian'ny kotrana kosa ny anaovana ny étirements passifs, tazomina segondra vitsy mba hamerina ny hozatra amin'ny laoniny tsy hivokona.

Tsy hoan'ny hozatra irery ihany fa manatsara ny souplesse ihany koa ny fanaovana étirement.
👉Anisany ireo fa aoka isika mpikatroka tsy hanao ambanin-javatra velively ny fanaovana étirement 😉

🥋 Stage Yoseikan Budo.Mandritry ny fandalovan'i Sensei Kyoshi MOCHIZUKI eto Mandagasikara dia misy daty anankiroa misoka...
03/04/2026

🥋 Stage Yoseikan Budo.

Mandritry ny fandalovan'i Sensei Kyoshi MOCHIZUKI eto Mandagasikara dia misy daty anankiroa misokatra hoan'ny taranja hafa sy hoan'ny mpiangaly Yoseikan Budo eto an-toerana


1940 - 2026R.I.P Chuck NORRIS🥋
20/03/2026

1940 - 2026
R.I.P Chuck NORRIS🥋

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Hakama - Hay Ady & Katrok'Ady Mada posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share