08/04/2026
Voatendren’ny Mshale Entertainement mpikarakara ao Afrika Atsimo tamin’ny fomba ofisialy ny agence événementielle Lamako Event hitarika sy hikarakara ity hetsika African Music Icons – andiany 2026 ity eto Madagasikara.
Hetsika iray entina anomezana lanjany ny kolontsaina Malagasy sy anosehana ireo talenta vao misondrotra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenenan’ny indostrian’ny mozika aty amin’ny kontinanta Afrikanina.
Firenena miisa 54 no miara-misalahy, samy hanandratra avo ny kanto ao aminy. Ho an’i Madagasikara dia aty amin’ny faritra Atsinanan’ny Afrika no sokajy misy azy, ary ny mpanankanto sy ireo mpamokatra raki-kira rehetra dia afaka mandray anjara avokoa amin’izao andiany voalohany izao.
Sokajy miisa 19 no ahafahana mandray anjara sy ho sivanina amin’ity AMI 2026 ity.
📑 Fepetra handraisana anjara :
➡️ Ny mpandray anjara dia tokony namokatra hira na raki-kira tao anatin’ny janoary 2024 ka hatramin’ny martsa 2026.
➡️ Ny mpandray anjara rehetra dia mila mandefa ny mombamomba azy (biographie) sary matihanina na am-perinasa, manome rohy YouTube (misokatra ho an’ny daholobe na ihany koa kaonty tsotra) ahitana ireo sangan’asany toy ny horonan-tsary (clip na hira audio).
➡️ Ny fisoratana anarana sy ny fandefasana ny dossier dia atao mivantana ao amin’ny tranokala ofisialy ny AMI (www.afrimic.com)
🗓️ Fe-potoana andefasana ny fandraisana anjara : hatramin’ny 30 Aprily 2026 (mialohan’ny misasa-kalina)
------------------------------------------------
L'agence événementielle Lamako Events a été nommée officiellement par Mshale Entertainment, en tant que Représentant National pour l'organisation de la phase malgache des prestigieux trophées African Music Icons (AMI) 2026.
Cet événement continental majeur vise à célébrer, professionnaliser et propulser les talents de l'industrie musicale africaine sur la scène mondiale.
Pour la première fois, les artistes, producteurs et réalisateurs malgaches auront l'opportunité de concourir dans un événement panafricain touchant 54 nations et ciblant une audience de plus de 630 millions d'utilisateurs mobiles. Madagascar est rattaché à la région "Afrique de l'Est" pour cette compétition.
Les AMI 2026 récompenseront l'excellence à travers 19 catégories principales.
📑 Conditions de participation :
➡️ Les œuvres musicales doivent avoir été produites entre janvier 2024 et mars 2026.
➡️ Les candidats doivent fournir une courte biographie, une photo professionnelle, et des liens YouTube (Public ou Non répertorié) vers leurs clips ou titres audio.
➡️ L'inscription se fait directement sur la plateforme officielle AMI : www.afrimic.com
🗓️ Date limite de l’appel à candidatures : 30 Avril 2026 à minuit.