06/11/2024
Tandremo letsy izany,
Hoy ny olona: " Ny tsy nianatra no tsy manam-pahendrena noho ny nianatra"
Mety koa misy milaza ny mifanohitra amin'izany.
Mety samy ho marina ary mety samy ho diso.
Mety tsy fidiny raha tsy afaka nianatra teny amin'ny sekoly ambony ny olona iray.
Tsy azo refesina amin'ny dingana ara-pianarana sy fahalalana eto amin'izao tontolo izao ny fahendrena.
Mety misy tsy manana marim-pahaizana maro tahaka ny fiheveran'ny rehetra kanefa manam-pahendrena.
Fa maro koa ny manampahaizana kanefa tsy manam-pahendrena. Misy moa Dia manimba ny tenany izy ireo. Mamatotra ny tenany. Manao autodestruction. Tsy fahendrena izany satria manimba izay nomena azy.
Ny tena marina Dia izay manam-pahendrena no maharitra.
Ny fahendrena mantsy tsy eny amin'ny fianarana ambony no mety hanovozana na hendrefesana azy fa ny fahendrena dia avy amin' Andriamanitra dia ny amin'ny fahatahorana Azy sy fanajana izay nomeny ary ireo izay nohariany manomboka amin'ny tenantsika.
Koa alaviro ny fahaizana tsy ialohavan'ny fahendrena (matahotra an'Andriamanitra Ray, Zanaka ,Fanahy Masina ). Tsy ratsy ny fahalalana sy ny fananana fahaizana maro fa sao ny adalan'izao tontolo izao no entina hampahendry ny Hendry.
Filipiana 4:7
[7]Ary ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin'i Kristy Jesosy.
Koa aza mirehareha amin'ny fahaizana na ny fahalalana ananantsina fa matahotra aloha an'Andriamanitra fa Izy no nihavian'ny Zavatra rehetra ary hitahiry ny Zavatra rehetra.
Ny tena fahendrena Dia ny mitahiry ny famonjena izay nomena antsika tamin'ny alalan' iJesosy Kristy , Izy ilay nahafoy ny ainy hoantsika.
Tehirizo ary ny famonjena izay efa nomena antsika fa Io no hanaraka antsika hatrany amparany.
Lioka 21:33-34
[33]Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
[34]Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran'ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian'izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany.
1 Korintiana 13:2
[2]Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho.
Jesosy Kristy no ilaintsika sy ianao.
Mibanjina ny hazofijaliana.