16/09/2026
💥FANDRESENA HO ANTSIKA NY ANDROANY
🎱 Fandresena efatra tamin'ny lalao dimy no azon'ny ekipantsika tamin'ny taranja tsipy kanetibe lalaovin'olon-droa ka nahatafakatra azy ireo amin'ny dingana ampahefa-dalana.
⚽ Nisaraka ady sahala 0 sy 0 kosa ny tovovavintsika sy ny avy ny ao amin'ny Zanatsehatra Haiolona teo amin'ny lalao baolina kitra. Mizotra mankany amin'ny lalao manasa-dalan'ny fifaninanana ny ekipantsika amin'izao.
🤝Mirary soa hatrany ny ekipa rehetra (ny mpilalao, ny mpanazatra, ny mpanohana...)