12/08/2026
TEZERA FA AZA MANOTA⛔
😤Ny fahatezerana dia an' isany fihetsem-po izay mila fehezin' ny kristiana ; ary raha tsy voafehy dia mety hanimba tokantrano, fitaizana, ny hoavy, ny fiaraha-monina.
👉Ireto misy zavatra fito (7) tsy tokony atao rehefa tezitra :
1) Tsy azo atao ny mandray fanapahan-kevitra ao anatin' ny fahatezerana.😠
2) Tsy azo atao ny mifamaly rehefa tezitra. Rehefa afaka ny fahatezerana dia izay vao tokony hifanitsy😯
3) Tsy azo atao ny mikapoka zaza rehefa tezitra loatra.✊
4) Tsy azo atao ny manao zavatra toy ny asa na fanompoana ao am-piangonana an-katezerana.🙏
5) Tsy azo atao ny mora tezitra😕
6) Tsy atao ny mandray fananarana an-katezerana.😑
7) Tsy azo atao tratran' ny masoandro milentika ny fahatezerana fa manimba ny fo.🌄
☑️ "Fa fantatrareo izany ry rahalahiko. Kanefa aoka ny olona rehetra halady hihaino , ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra; fa ny fahatezeran' ny olona tsy hahefana izay marina eo imason' Andriamanitra" Jakoba 1.19-20