23/10/2022
Coupe du Monde 2002 Korea / Japan
Tamin’ny 31 May 2002 ka hatramin’ny 30 Jiona 2002
Anisan’ny Coupe du monde tena tsara indrindra teo amn’ny tantaran’ny kitra. Nobatain’ny La Seleçao, ny amboara izay nentin’ny mpanazatra Scolari. Ny firafitra 3-5-2 no nentin’ny niady tamin’izany ary isan’ny ekipa mafy vodilaharana indrindra ry zareo Brezilianina satria nanana mpilalao toy ndry Roberto Carlos sy Cafù. Tao koa ilay mpamono baolina Ronaldo R9 , ballon d’or 1997 , moa tamin’ireny fotoana ireny dia tsy nitsahatra nisedra faharatrana nefa tsy nanakana hafaty baolina maro nandritry ny fifaninana ( 8 buts). Avy namaoka ny Turkey tamin’ny lalao manasa-dalana ry Zareo Brezilianina dia nidona tamin-dry zareo Alemana.
Tetsy ankilany ry zareo Mannschaft izay nenti’ilay mpilalao kalaza fahiny Rudi Voller, dia efa niomana fa ho mafimafy ny ady manoloana ireo ekipa Brezilianina. Indrindra moa fa naratra i Michael Ballack izay tao anatin’ny heriny toko nefa dia tsy afaka nilalao. Ka dia nametraka paik’ady somary miaro-tena “défensif” izy taminio lalao famaranana io. Nampilalao “milieu” roa somary milalao sisiny izy ireo mba hanakanana ireo “latéral” roa Breziliainina (R. Carlos, Cafù) izay tena nilalao ambony dia ambony tokoa. ry nampiasa vodilaharana afovoany 3 mba hanakanana ireo mpamono baolina telo : Ronaldo, Ronaldhino ary Rivaldo. Na dia nanao izay vitany ary moa ry zareo Mannschaft dia niondrika tamin’ny isa 2 - 0 ry zareo izay baolina matin’ny Ronaldo.
Atotan’isa vitsivitsy nandritry ny fifanintsanana rehetra :
Nombre total de buts : 161
Meilleure attaque : Brésil (18 buts)
Ballon d’or de la coupe du monde 2002 : Olivier Kahn
Meilleur buteur: Ronaldo (8 buts)