24/10/2025
Tsy hay ny hangina fotsiny manoloana ny fandotoana an-dRamatoa ataon’ny sasany azy.
Marina fa izay mangina volamena fa na izay tsy miteny kosa angeren’ny vorona,hoy ny fitenenana.
Efa raharaha nivalona io,porofon’izany dia tamin’ny taona 2020 ny tenany dia niasa nandritra fotoanan’ny Covid 19 en tant que Consultant chargé de la Communication en Urgences tao amin’ny SNU ka olona nanao "détournement vola UNICEF ve dia ho voaray SNU?.
Nandritra naha Minisitry ny Serasera sy Kolontsaina azy dia niverina avokoa ireo fifanaraham-piaraha-miasa tamin’ny mpamatsy vola mahazatra indrindra ny SNU.
Zavatra efa vita fanadihadiana re io ary efa affaires nivalona ary sans suite ary afaka hamarinina amin'ny Ambassade de France ny resaka " Kabeso".
Efa tonga tany aminy moa ireo hafatra hoe tokony homena vola ireo mpanaratsy sy mpamoaka vaovao tsy marina momba azy dia ajanon’izy ireo ny fanenjehana azy nefa TSIA,tsy izany ny fiovàna tadiavintsika fa aleo ny marina hanjaka.
Tsy ny fanaratsiana olona koa no ahazoana toerana fa alefaso e mandraisa indray andraikitra e.