Ligue Régionale Kick Boxing Vakinankaratra

Ligue Régionale Kick Boxing Vakinankaratra “La Ligue Régionale de Kick-Boxing du Vakinankaratra a pour mission de promouvoir, encadrer et développer le kick-boxing dans toute la région.

Discipline, respect, performance — ensemble, formons les champions de demain.” 🥊🇲🇬

🇲🇬.📝💡🥊  “Fahatokisan-tena : lakilen’ny fahombiazana”Ny “Fahatokisan-tena” no lohahevitra nofidiana nandritra ny fiofanan...
23/05/2026

🇲🇬.
📝💡🥊 “Fahatokisan-tena : lakilen’ny fahombiazana”

Ny “Fahatokisan-tena” no lohahevitra nofidiana nandritra ny fiofanana natokana ho an’ireo tanora mpandraharaha vao misondrotra (start-up) ho fanomanana ny famelabelarana (Pitch) hataon’izy ireo atsy ho atsy, izay notanterahina tao amin’ny Fivmpama Vakinankaratra Vakinankaratra tamin’ny Asabotsy 23 May 2026.

Io fiofanana io dia notarihin’ny ekipan’ny Phoenix Kross Fight niaraka tamin’ny Ligim-paritry ny Kick Boxing Vakinankaratra, Izay ho amin’ny tanjona hanampiana ny tanora hampivelatra ny fahatokisany tena, ny fahaizany miteny sy mijoro eo anatrehan’ny olona ary ny tanjaky ny sainy manoloana ireo fanamby mandritra ny fampahafantarana ny tetikasany.

Tahaka ny eo amin’ny fanatanjahantena sy haiady, ny finoana ny tena dia efa fandresena voalohany, alohan’ny hidirana eo an-kianja.

Manofana ny saina, manamafy ny toe-tsaina ary manorina ny hoavin’ny tanora. 💪🔥

🇨🇵.

📝💡🥊 " Confiance en soi : une clé vers la réussite "

" La confiance en soi " a été choisie comme thème d’une formation destinée aux jeunes start-up en préparation de leur prochain "Pitch" , qui s’est tenue dans l’enceinte du FIVMPAMA Vakinankaratra ce samedi 23 mai 2026.

Cette séance a été dirigée par l’équipe de Phoenix Kross Fight en collaboration avec la Ligue Régionale de Kick Boxing Vakinankaratra, dans l’objectif d’accompagner les jeunes à développer leur assurance personnelle, leur capacité à prendre la parole et leur mental face aux défis dans le cadre de presentation de leur projet.

Comme dans le sport de combat, croire en soi est la première victoire avant même d’entrer dans l’arène.

Former l’esprit, renforcer le mental et construire l’avenir des jeunes. 🔥💪

🇲🇬.📝 FIVORIAMBE ARA-POTOANA NY LIGIM-PARITRY NY NY KICK BOXING VAKINANKARATRA.👉🏼 Notanterahina tao amin’ny Akany Faravoh...
23/05/2026

🇲🇬.
📝 FIVORIAMBE ARA-POTOANA NY LIGIM-PARITRY NY NY KICK BOXING VAKINANKARATRA.

👉🏼 Notanterahina tao amin’ny Akany Faravohitra Antsirabe ny zoma 22 May 2026 ny Fivoriambe aram-potoanan'ny Ligim-paritry ny Kick Boxing Vakinankaratra, tao anaty firaisankina, fifanajana ary demokrasia. 🤝🙏🏼

Nanotrona sy nanome voninahitra ity fotoan-dehibe ity ireo Filohan’ny Seksiôna, ny Filohan’ny Klioba, ny Filohan’ny Mpitsara ary ny solontenan’ny DRJS, izay nankasitraka ny fanasan’ny Ligim-paritra. Nanaporofo ny fahavononana hiara-miasa, hampandroso ny taranja Kick Boxing eto amin’ny faritra Vakinankaratra ny fahatongavan’ny mpisehatra rehetra maro.🥊🔥

Toy ny fivoriana rehetra dia nisy ny adihevitra sy fifanakalozan-kevitra momba ny hoavin’ny taranja, teo ihany koa ny fotoana nahitana adihevitra mafana.Noho ny fahamatorana, ny fifanajana ny fitsipi-pifehezana, ary ny fahatsapana ny tombontsoa iombonana, dia voafehy sy voalamina tsara izany rehetra izany.🤔🙂

Nifarana tao anatin’ny hafaliana sy firaisan-tsaina nahafinaritra ny fivoriambe, izay vao maika nanamafy ny fiaraha-mientan’ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny tontolon’ny Kick Boxing eto Vakinankaratra. Porofon’izany; na dia teo aza ny fomba fijery samihafa, dia iray ny tanjona : ny hiara-hiasa sy hampandroso bebe kokoa ny taranja Kick Boxing eto amin’ny Faritra Vakinankaratra.👬🔥

Maneho fisaorana feno sy fankasitrahana ho an’ireo rehetra tonga sy nandray anjara tamin’iny fotoana manan-danja iny Ligim-paritry ny Kick Boxing Vakinankaratra.🙏🏼🤝

Miaradia sy miray hina, andao hanohy hanorina hoavy mamiratra ho an’ny Kick Boxing Vakinankaratra. 🥊💪

🇨🇵.
📝ASSEMBLÉE GÉNÉRALE DE LA LIGUE RÉGIONALE DE KICK BOXING VAKINANKARATRA

👉🏼L’Assemblée Générale de la Ligue Régionale de Kick Boxing Vakinankaratra s’est tenue à l’Akany Faravohitra Antsirabe ce vendredi 22 mai 2026, dans une atmosphère marquée par la convivialité, le respect et l’esprit démocratique.🤝🥊

🙏🏼Cette rencontre importante a réuni les présidents des sections, les présidents des clubs, le président des juges et arbitres ainsi que les représentants de la DRJS,ont honoré de leur présence à l’invitation lancée par la Ligue Régionale. Leur participation témoigne de leur engagement commun envers l’évolution et le développement du kick-boxing dans la région Vakinankaratra.🔥🥊

🤔Comme dans toute réunion importante où chacun exprime ses idées et ses points de vue, quelques tensions se sont parfois manifestées durant les échanges. Toutefois, dans un esprit de responsabilité, de maturité et de respect mutuel, les discussions se sont poursuivies dans un cadre constructif.😍👬

Cette Assemblée Générale s’est finalement achevée dans une bonne ambiance, renforçant davantage la solidarité entre les acteurs du kick-boxing régional. Une preuve que malgré les différences, une vision commune nous rassemble : travailler ensemble pour faire grandir et développer davantage le Kick Boxing dans la région Vakinankaratra.🔥🥊

🙏🏼La Ligue Régionale de Kick Boxing Vakinankaratra adresse ses sincères remerciements à tous les participants pour leur présence, leur implication et leur contribution à cette grande famille sportive.🔥😍

Ensemble, continuons à construire un avenir meilleur pour le Kick Boxing Vakinankaratra. 🥊💪

'Aky 's

📝🇲🇬."Alina nampiray ny Tontolon'ny Kick Boxing Malagasy."Tao amin’ny Nova Hotel Mandrosoa Ivato, no nanatanterahana ny a...
16/05/2026

📝
🇲🇬.
"Alina nampiray ny Tontolon'ny Kick Boxing Malagasy."

Tao amin’ny Nova Hotel Mandrosoa Ivato, no nanatanterahana ny alin’ny zoma 15 may 2026 ilay hetsika lehibe “Combat de Défi”, nokarakarain’ny Federasiona Malagasy ny Kick Boxing sy DA. Hetsika iray nanamarika indrindra ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filoha teo aloha, ny Jeneraly Lilyson de Rolland, sy ny filoha vaovao voafidy RAFIDISON José Christian.

Nandritra ity lanonana ara-panatanjahantena ity dia tonga nanome voninahitra sy nanotrona ireo tomponandraikim-panjakana maro, isan’izany ny Minisitra sy solombavam-bahoaka ary lehiben’ny tafika, maneho ny lanja sy ny toerana raisin’ny taranja kick boxing eo amin’ny sehatra nasionaly.

Ady enina no natrehin’ny mpijery nandritra ny hariva, ka iray tamin’ireo no vehivavy. Hita taratra tamin’ireo fifanandrinana ny fahaiza-manao ara-teknika sy ny ezaka ataon’ireo atleta Malagasy, na dia mbola misy aza ireo dingana tokony hatsaraina mba hampandrosoana bebe kokoa ny taranja.

Marihina fa tonga nanatrika sy nitondra ny mpiadiny avy ireo filohan’ny ligim-paritra miisa 14 manerana an’i Madagasikara. Ho an’ny Ligue Régionale Kick Boxing Vakinankaratra manokana, dia i RAKOTOMALALA Fenitriniaina sy ny ekipany no nitondra an’i Rafanomezantsoa Heritiana, atleta avy amin’ny Klioba Masaky izay tompondakan’i Madagasikara 2025 eo amin’ny sokajy 57 kg.
I Lavakely avy ao amin'i Klioba COSFA ao anatin'ny Ligy Analamanga, izay efa tompondaka erantany no niady tamin''i Heritiana, ka naha-KO azy nandritra ny fiodinana faharoa.

Nisy ny fanomanan-tena manokana natao ho an’ity atleta nisolo tena anni Vakinankaratra ity, niaraka tamin’ny fiaraha-miasa akaiky avy amin’ny orinasa ACCORD, izay isaorana manokana tamin’ny fanomezana alalana an’i Heritiana hanomana sy hiatrika ny fifaninanana.

Amin’ny ankapobeny, manohy ny ezaka ataony ny Ligim-paritr'i Vakinankaratra amin’ny fanomezana lanja ireo mpiady rehetra sy ny fanamorana ny fivoaran’ireo atleta manan-talenta ao anatin’ny faritra, ho il fampandrosoana hatrany ny kick boxing Malagasy.

📝
🇨🇵.
« Une soirée qui a uni le monde du Kick Boxing Malgache »

Le grand événement intitulé « Combat de Défi », organisé par la Fédération Malagasy de Kick Boxing et DA, s’est tenu dans la soirée du vendredi 15 mai 2026 au Nova Hotel Mandrosoa Ivato, Cette manifestation a particulièrement marqué la passation de pouvoir entre l’ancien président, le Général Lilyson de Rolland, et le nouveau président élu, RAFIDISON José Christian.

Durant cet événement sportif, plusieurs hautes personnalités de l’État ont honoré de leur présence, notamment des ministres, des députés ainsi que des responsables militaires, témoignant de l’importance et de la place grandissante du kick boxing sur la scène nationale.

Six combats ont animé la soirée, dont un combat féminin. Les affrontements ont permis de mettre en lumière le niveau technique des athlètes Malgaches ainsi que les efforts déjà entrepris, même si des améliorations restent encore nécessaires pour faire progresser davantage la discipline.

Il convient également de souligner la présence des présidents des 14 ligues régionales de Madagascar, venus accompagner leurs combattants respectifs. Pour la Ligue Régionale Kick Boxing Vakinankaratra, RAKOTOMALALA Fenitriniaina et son équipe ont accompagné Rafanomezantsoa Heritiana, athlète du Club Masaky et champion de Madagascar 2025 dans la catégorie des 57 kg.C’est Lavakely, du club COSFA au sein de la Ligue Analamanga, déjà champion du monde, qui a affronté Heritiana et l’a mis KO au cours du deuxième round.

Une préparation spécifique avait été mise en place pour cet athlète représentant la région Vakinankaratra, avec le soutien et la collaboration étroite de l’entreprise ACCORD, à qui des remerciements particuliers sont adressés pour avoir accordé à Heritiana l’autorisation nécessaire afin de se préparer et de participer à cette compétition.

Dans l’ensemble, la Ligue Régionale de Vakinankaratra poursuit ses efforts pour valoriser l’ensemble des combattants et favoriser l’évolution des jeunes talents de la région, dans le but de contribuer continuellement au développement du kick boxing malgache.

Fifamindram-pahefana eo amin'ny Filohan'ny Federasiona Malagasy Kick Boxing teo aloha sy ny vaovao.
13/05/2026

Fifamindram-pahefana eo amin'ny Filohan'ny Federasiona Malagasy Kick Boxing teo aloha sy ny vaovao.

Fiantsoana Fivoriana ara-potoana.Manantena ny fahatongavan'ny filohan'ny seksion tsirairay sy ny filohan'ny klioba rehet...
13/05/2026

Fiantsoana Fivoriana ara-potoana.
Manantena ny fahatongavan'ny filohan'ny seksion tsirairay sy ny filohan'ny klioba rehetra, indrindra moa fa ny filohan'ny mpitsara amperin'asa.
Ho alefanay miandalana eo ny fanasana ary olona iray (1) isaky ny fanasana no tafiditra manatrika ny fivoriana ny faha, 22 May 2026 amin'ny 2 ora tolakandro tsy diso ao amin'ny Akany Faravohitra Antsirabe.

🇲🇬.Miarahaba an’Atoa RAFIDISON José Christian, filoha vaovao voafidy hitantana ny Federasiona Malagasy Kick Boxing, 2026...
10/05/2026

🇲🇬.
Miarahaba an’Atoa RAFIDISON José Christian, filoha vaovao voafidy hitantana ny Federasiona Malagasy Kick Boxing, 2026-2030. Mirary fahombiazana feno amin’ny adidy lehibe miandry, ahafahana mamerina indray ny hasin’ny taranja eo amin’ny sehatra nasionaly sy iraisam-pirenena.

Enga anie hanjaka ny firaisankina, ny mangarahara ary ny fiaraha-miasa eo amin’ny Feferasiona sy ny ligy rehetra, ny section, ny club ary ny atleta, satria izany no antoky ny fampandrosoana maharitra ny Kick Boxing Malagasy.

Vonona hatrany ny Ligue Régionale Kick Boxing Vakinankaratra hiara-hientana sy hanohana ireo ezaka rehetra entina hampandroso ny taranja. Mirary taom-piasana hahitana vokatra tsara sy fandrosoana ho an’ny rehetra. 🥊🇲🇬

🇨🇵.
Félicitations à Monsieur RAFIDISON José Christian, nouveau président élu à la tête de la Fédération Malgache de Kick Boxing pour le mandat 2026-2030. Nous lui adressons nos vœux de pleine réussite dans les grandes responsabilités qui l’attendent, afin de redonner au Kick Boxing malgache toute sa place sur les scènes nationale et internationale.
Puisse l’unité, la transparence et la collaboration régner entre la Fédération et les ligues, les sections, les clubs et l’ensemble des athlètes, car elles constituent les clés d’un développement durable du Kick Boxing malgache.
La Ligue Régionale de Kick Boxing Vakinankaratra demeure prête à s’unir et à soutenir tous les efforts entrepris pour faire avancer cette discipline. Nous souhaitons un mandat porteur de résultats positifs et de progrès pour tous. 🥊🇲🇬

📷 Sary...Fifidianana izay ho Filohan'ny Feferasiona President Malagasy ny Kick Boxing sy ireo Taranja  miaraka aminy.Lig...
09/05/2026

📷 Sary.
..Fifidianana izay ho Filohan'ny Feferasiona President Malagasy ny Kick Boxing sy ireo Taranja miaraka aminy.

Ligue Régionale Kick Boxing Vakinankaratra

...Fikaonan-doha, ho fampandrosoana ny taranja Kick Boxing, niarahana tamin'i Drjs Vakinankaratra.Antsirabe, zoma 24 avr...
25/04/2026

...Fikaonan-doha, ho fampandrosoana ny taranja Kick Boxing, niarahana tamin'i Drjs Vakinankaratra.

Antsirabe, zoma 24 avrily 2026.
Ligue Régionale Kick Boxing Vakinankaratra.

📝 Fampitam-baovao.❎ Fanafoanana hetsika rehetra ny Ligy aloa.👉🏼 Ampitaina @ Klioba - Section - Ligy.📅 Alakamisy 16 avril...
16/04/2026

📝 Fampitam-baovao.
❎ Fanafoanana hetsika rehetra ny Ligy aloa.
👉🏼 Ampitaina @ Klioba - Section - Ligy.
📅 Alakamisy 16 avrily 2026.

...Araka ny lahatsoratra etsy ambany avy amin'ny Ligue Régionale Kick Boxing Vakinankaratra, nampitain'ny Federasiona Malagasy ny " Kick-Boxing" dia mijanona avokoa aloa ireo hetsika rehetra momba kick boxing (Competition - Stage - Formation - Réunion Statutaire - Ect...) mandrapahavita ny fifidianana izay ho filohan'ny Federasiona ny Kick Boxing Malagasy, izay hatao tsy ho ela.

Address

Lot
Antsirabe
110

Opening Hours

Monday 08:00 - 18:00
Tuesday 08:00 - 18:00
Wednesday 08:00 - 18:00
Thursday 08:00 - 18:00
Friday 08:00 - 18:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ligue Régionale Kick Boxing Vakinankaratra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category