Neny tiako Fifaliako

Neny tiako Fifaliako Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Neny tiako Fifaliako, Event, Tour Sahavola 2 ème étage, Antananarivo.

17/06/2026

Ndao hoentina manampy fahalalana momba ny tantara sy kolontsaina Malagasy ny zanantsika 🥰

ANDAO ABY ZALAHY EE 😍
15/06/2026

ANDAO ABY ZALAHY EE 😍

Ndao ho any tsika ry Maman isany 😍😍
19/05/2026

Ndao ho any tsika ry Maman isany 😍😍

📢📢 Tsy aleo ve mandeha miaina tantara… toy izay mijanona hitantara azy fotsiny? 🤔

Andao hiala kely amin’ny fitohanana sy ny rotoroton’i Tana! 🥰
Ny 30 Mey izao, hiaraka hitodi-doha any Ankazomalaza isika — toerana iray mampiray tantara, kolontsaina ary zavaboahary.

Dia an-tongotra mirefy 4km no hatao hitsidihana ireo Doany 06 mbola mitahiry tantara sy fomban-drazana mahaliana.

Ary ny tsara indrindra?
Tsy mila manomana zavatra betsaka ianao.
👉 Kiraro fandehanana ihany no entinao.

Ny ambiny rehetra efa voakarakara:
😋sakafo
🥛rano
🚗fiara
🧍mpitari-dia

Fihaonana : IKM Antsahavola — amin’ny 06h30 maraina

Sarany :

• 45 000 Ar — ho an'ny mpikambana IKM sy famandrihana alohan’ny 25 Mey

• 55.000 Ar — manomboka 26 Mey

Voafetra ny toerana! 🤗

👉👉Famandrihana : 038 35 222 45
na mandefasa hafatra miafina (MP)

Andao hifanome fotoana any amin’ny tantara sy ny zavaboahary 🥰

Ndao ary 🥰
05/05/2026

Ndao ary 🥰

😍 Sabotsin'ny mpikambana 😍

Raha toa ka tokony hihaona isika amin’io asabotsy io dia ataontsika amin’ny endriny hafa kely izy amin’ity.
Vonona ve ianao hitsapa ny fahalalanao ny tantara? 🤔

Ndao hilalao fa misy fanomezana milay bé azonao raha toa ka mivoka mpandresy ianao. 🥰 Tongava mandray anjara amin’ny "ROYAL QUIZ IKM" — lalao an-tserasera mandritra ny 5 andro
Fanontaniana momba an’i Ralambo sy Ranavalona 👑
Hisy fanontaniana maro hifanesy eto amin’ny pejy isan’andro, Valio ao amin’ny commentaire ny fanontaniana fa arakaraky ny fandraisanao anjara sy ny fahamarinan'ny valiny no mampiakatra ny isa.
Antsoy ny namana hiara-milalao.🤼‍♂️👯‍♂️
Asehoy ny fahaizanao! 🤷

LOKA MIANDRY:
📔📔Boky
✉️✉️Tapakila 2 maimaim-poana ho an’ny 30 May




Address

Tour Sahavola 2 ème étage
Antananarivo
LOTIBF16TERA

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Neny tiako Fifaliako posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category