16/02/2026
IFALIO NY MARAINA
boky voalohany
nosoratan’i Andrianina Rajoelisoa, na i Joely,
izay amboaran-tononkalo, natotan’i Hakanto Edition.
Taorian’ny fahitalavitra, ny fizarana tsiky, ny teny amin’ny tambajotran-tserasera, taorian’ny hehy sy ny fiantseharana, indro ilay Joely vaovao !
Ilay Joely vaovao izay miseho anatin’ireo fihetseham-pony amin’ny alalan’ny teny… ireo asa-sorany… ny tonokalony.
Toko vaovao ao anatin’ny asa-famoronany sy amin’ny tantaram-piainany no atolotray ankafaliana ato amin’i Hakanto Contemporary
NY FANOLORANA ARA-POMBA OFISIALY
ho tontosaina ny
Alarobia 18 Febroary 2026
Amin’ny 03 ora tolakandro
Hiarahana amin’i Andrianina Rajoelisoa, na i Joely,
hiantomboka amin’ny RESAKA HAKANTO hiarahana amin’ny mpanakanto,
arahin’ny fanokafana ara-pomba ofisialy ny fivarotana ny boky ao amin’ny Hakanto Shop,
ary hifarana amin’ny fanaovan-tsonia ny amboaran-tononkalo ataon’ny mpanakanto.
Hakanto Contemporary
ZFI . Ankadimbahoaka
Antananarivo . Madagasikara
Tsy misy vidim-pidirana