K-VTT Kolontsain'ny Voy an-Tongotra sy ny Tontolony eto Madagasikara

K-VTT soutient le projet PUR 🇲🇬 Mba ho tontolo maintso i Madagasikara 🚴‍♀️🚴‍♂️=🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳
06/09/2021

K-VTT soutient le projet PUR

🇲🇬 Mba ho tontolo maintso i Madagasikara 🚴‍♀️

🚴‍♂️
=
🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳
🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳🌳

Partager l’Amour du prochain en tendant les mains aux familles les plus démunis avec compassion, en prenant soin de leurs enfants.

Tohanantsika ny antsika e! Alefa Barea! 🇲🇬🐂
02/09/2021

Tohanantsika ny antsika e! Alefa Barea! 🇲🇬🐂

Fantatrao ve fa andro iraisam-pirenena ho an'ny ''rangers'' na ''Polisinala'' an'io? Tsy mora ny asan'izy ireo ary indra...
31/07/2021

Fantatrao ve fa andro iraisam-pirenena ho an'ny ''rangers'' na ''Polisinala'' an'io? Tsy mora ny asan'izy ireo ary indraindray ary aza miantraika aman'aina mihitsy ka tsara raha tohanantsika izy ireo.✊

Aujourd'hui c'est la journée internationale des rangers. A Madagascar, on les appelle '' Polisinala''. Ce sont eux qui sont envoyés sur le front pour protéger nos forêts et animaux sauvages qui sont une source d'attraction touristique pour Madagascar. Il est de notre devoir de les soutenir, vu que leur tâche n'est pas du tout aisée. ✊





Photo: WWF Madagascar

Tontosa soa aman-tsara ny hetsika VTT Bien-être  izay nandrasantsika hatry ny ela iny. Tena nahafinaritra tokoa ny fiara...
14/07/2021

Tontosa soa aman-tsara ny hetsika VTT Bien-être izay nandrasantsika hatry ny ela iny. Tena nahafinaritra tokoa ny fiarahana.🤗
Mankasitraka an'ireo mpandray anjara rehetra ihany koa. 🙏 Manantena ny hahita anareo hatrany amin'ny hetsika izay mbola ho karakarain'ny K-VTT sy Ministère des Transports, du Tourisme et de la Météorologie de Madagascar.
Ho avy tsy ho ela ny andihany manaraka ka araho hatrany ny pejy.😎
Indreto ary ny sary mamintina an'iny hetsika iny📷




Te hivoaka kely ny renivohitra mba hiala sasatra sy hialavoly ve ianao? 🌅🌴🚵Ity ny vahaolana ho anao☝️. Ndao ary hiaraka ...
23/06/2021

Te hivoaka kely ny renivohitra mba hiala sasatra sy hialavoly ve ianao? 🌅🌴🚵
Ity ny vahaolana ho anao☝️. Ndao ary hiaraka hitsidika ny faritra atsinanan'i Madagasikara an-tongomalady 🚵 miaraka amin'ny K-VTT sy Bike In Mada.

Indreto ary ny mombamomban'ny tolotra VTT BIEN-ÊTRE izay ho tontosaina ny 8-11 jolay ho avy izao, ka ianareo sisa no andrasana.😎

Farafisoratana anarana : 06 jolay 2021

Filan-kevitra sy fisoratana anarana:
0320231299 ( WhatsApp )
0344787105
0349858355






16/06/2021

Koa satria efa misokatra indray ny lalana, dia ndao amin'izay ary, hiaraka hizaha tany ny faritra atsinanan'ny nosy amin'ny alalan'ny tongomalady, hitsidika toerana, hialavoly ary haka rivotra madio miaraka amin'ny K-VTT🚵🌄. Entano ny havana ary ny namana mba handray anjara amin'ity hetsika VTT "Bien-être" ity fa ho ataontsika mahafinaritra hatrany izy ity. 🔥
Ho tanterahina ny 08,09,10,11 jolay 2021 izany ka ianareo sisa no andrasana. 😎🙏

Infoline: 0320231299 ( WhatsApp )





16/06/2021

Salama daholo 😎, manana vaovao tsara vao mafana ho antsika mpankafy tongomalady izahay androany🔥🚴. Ho zarainay eto amin'ny 7:30 hariva izany. Aza adino ary ny manaraka ny pejy. 🚵🌴☀️🌅

📣 03 jona: andro iraisam-pirenena ho an'ny tongomaladyMiarahaba antsika rehetra mpampiasa sy tia bisikileta eto Madagasi...
03/06/2021

📣 03 jona: andro iraisam-pirenena ho an'ny tongomalady

Miarahaba antsika rehetra mpampiasa sy tia bisikileta eto Madagasikara fa androtsika androany.

Tapaka tao amin'ny fivorian'ny firenena mikambana (ONU) tamin'ny taona 2018 fa ny 03 jona dia natokana ho fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tongomalady. Natao izany mba ho fampirisihana ny mponina maneran-tany hampiasa bisikileta noho ny fahatsapana ireo voka-tsoa maro azo avy aminy. Fitaterana tsotra, mora, mahasalama ary manaja ny tontolo iainana ny tongomalady ary efa maro ny olona resy lahatra amin'ny fampiasana azy.

Raha tsiahivina fohy ny tantara nipoiran'ny bisikileta dia efa tamin'ny taona 1817 no namoronan'i Baron Karl von Drais azy voalohany tao Mannheim Alemana. Avy eo navaozin'ny anglisy izy taty aoriana ary tonga tany Chine sy Amerika ka niparitaka manerana ny tany. Hatramin'izay nisian'ny fifaninana hazakazaka am-bisikileta voalohany tamin'ny taona 1890 tao Eoropa dia nohatsaraina hatrany izy mba handeha mafy satria ny "vélo de course" no nalaza tamin'izany. Efa taty amin'ny taona 1981 vao teraka ny tena MTB (Mountainbike) na VTT (Vélo Tout Terrain) taorian'ny fanatsarana im-betsaka natao taorian'ny 1960. Raha ny tantara dia Joe Breeze, Charles Kelly sy Gary Fisher no azo atao hoe raiben'ny MTB. Taoriana kelin'izay ny DH (Downhill). Noho ny fivoaran'ny kolontsain'ny tongomalady dia teraka koa ny Trial sy VTT Freestyle taty aoriana ary hitohy foana izany fivoarana izany, satria mbola mitohy ny fikarohana momba ny tongomalady amin'ny toerana maro toy ny any Suisse, USA sns... Amin'izao fotoana aza moa dia efa nasiana motera manodina ny tongomalady (E-Bike).

🚴‍♂️ Ho ela velona anie ny mpampiasa tongomalady eto Madagasikara... 🚴‍♀️🚴‍♂️

😊 Mirary soa antsika rehetra ☘

31/05/2021

K-VTT teny Ambohimanoa ☘

🙂 Misaotra antsika indray nandray anjara tamin'ny fitsangatsanganana an-tongomalady teny Ambohimanoa. 🚴‍♂️🚴

📸 Njato And's - Sunlight Pictures




🙂 Bonjour 🙂Le Club K-VTT espère vous avoir donné l'envie de parcourir à cette nouvelle idée de randonnée familiale, magn...
19/05/2021

🙂 Bonjour 🙂

Le Club K-VTT espère vous avoir donné l'envie de parcourir à cette nouvelle idée de randonnée familiale, magnifique itinéraire de belle envergure, sans difficulté. 🌳🚵‍♀️🚵

📣Inscrivez-vous au plus t**d le samedi, 22 mai 2021 - 16h00.

Infoline: 032 02 312 99 - 034 98 583 55

Tontosa soa aman-tsara ilay fitsangantsaganana an-tongomalady izay nokasaina natao tamin'ny zoma 30 Aprily teo. 🚵Nahitan...
03/05/2021

Tontosa soa aman-tsara ilay fitsangantsaganana an-tongomalady izay nokasaina natao tamin'ny zoma 30 Aprily teo. 🚵
Nahitana toerana mahafinaritra sy olona vaovao afaka nifampizarana ny fitiavana ny tongomalady.👬👭
Isaorana daholo ireo mpandray anjara nandeha tamin'io fitsangantsaganana io ary mbola manentana antsika hatrany mba ho tonga amin'ny hetsika manaraka. ✊
Ho an'ireo mbola tsy nandray anjara kosa dia manentana antsika izay afaka sy liana amina fitsangantsaganana an-tongomalady mba ho avy amin'ny hetsika manaraka.😉
Araho tsy tapaka ny pejy mba hahafahanareo mahazo ny vaovao momban'ny fitsangantsaganana manaraka. ☝️

Indreto ary ny sary nanamarika an'iny fitsangantsaganana iny: 📸 Njato And's




Pour ceux qui sont intéressés par la petite escapade vers Ambohimangarova, voici les nouvelles informations la concernan...
22/04/2021

Pour ceux qui sont intéressés par la petite escapade vers Ambohimangarova, voici les nouvelles informations la concernant.☝️
🚨Les places sont limitées donc n'attendez pas le dernier jour pour vous inscrire.
En attendant l'évènement, prenez bien soin de vous et faites du sport pour rester en forme.💪
Nous avons hâte de vous revoir.🤗
N'hésitez pas à liker 👍 et à partager 👉à vos amis et la famille qui pourraient être intéressés par la randonnée en VTT. 🚵

Et le plus important gardez la pêche! 🍑😉😂

Address

Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when K-VTT posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to K-VTT:

Share