Kitra Retro

Kitra Retro Les plus belles années du football

05/11/2022

Portrait #4 :

Augustine Azuka Okocha

Na koa Jay Jay Okocha no nahafataran'ny olona azy fony izy mbola nilalao teo amin'ny sehatry ny matianina(1989 - 2008). Teratany nizerianina 🇳🇬 ny lehilahy tena nanana talenta tokoa, ary teknisianina enjana be,indrindra moa fa fahaizany mamitaka (dribble) no tena nampiavaka azy. Mpamono baolina ihany koa moa izy na dia hirakiraka mpanafika ary no tena toerany teny ambony kianja. Tao amin'ny Eintratcht Francfort tao Allemagne izy nanomboka nilomano teo amin'ny sehatry ny maha matiainina (Division 1) iey ary nilalao tamin'ny klioba maromaro tao Eraopa tahakan'ny PSG , Fenrebahçe sns.. ary nifarana tao amin'ny Hull city Angletera.

Sahalan'izao ny filalaony tamin'ny 🔥🔥⚽⚽⚽

⚽Portrait  #3 :⚽👉Pedro Miguel Pauleta👈Tao alohan'ny andry Zlatan , Neymar, Mbampé ,Messi ..dia nanana an'ity mpamono bao...
25/10/2022

⚽Portrait #3 :⚽

👉Pedro Miguel Pauleta👈

Tao alohan'ny andry Zlatan , Neymar, Mbampé ,Messi ..dia nanana an'ity mpamono baolina mafy be ity ny PSG. Nilalao tamin'ny sehatry matiainina nandritry ny taona maro (1994 - 2011) ary azo antsoina hoe légende ihany izy tao amin'ny PSG satria dia nahazo titre maro maro ary matetika izy no mpilalao mafaty baolina indrindra tao amin'ny Ligue 1 ⚽🔥. Izy moa rehefa mahafaty baolina dia mamelatra tanana toy ireny "aigle" ireny.

Coupe du Monde 2002 Korea / JapanTamin’ny 31 May  2002 ka hatramin’ny 30 Jiona 2002Anisan’ny Coupe du monde tena tsara i...
23/10/2022

Coupe du Monde 2002 Korea / Japan

Tamin’ny 31 May 2002 ka hatramin’ny 30 Jiona 2002

Anisan’ny Coupe du monde tena tsara indrindra teo amn’ny tantaran’ny kitra. Nobatain’ny La Seleçao, ny amboara izay nentin’ny mpanazatra Scolari. Ny firafitra 3-5-2 no nentin’ny niady tamin’izany ary isan’ny ekipa mafy vodilaharana indrindra ry zareo Brezilianina satria nanana mpilalao toy ndry Roberto Carlos sy Cafù. Tao koa ilay mpamono baolina Ronaldo R9 , ballon d’or 1997 , moa tamin’ireny fotoana ireny dia tsy nitsahatra nisedra faharatrana nefa tsy nanakana hafaty baolina maro nandritry ny fifaninana ( 8 buts). Avy namaoka ny Turkey tamin’ny lalao manasa-dalana ry Zareo Brezilianina dia nidona tamin-dry zareo Alemana.

Tetsy ankilany ry zareo Mannschaft izay nenti’ilay mpilalao kalaza fahiny Rudi Voller, dia efa niomana fa ho mafimafy ny ady manoloana ireo ekipa Brezilianina. Indrindra moa fa naratra i Michael Ballack izay tao anatin’ny heriny toko nefa dia tsy afaka nilalao. Ka dia nametraka paik’ady somary miaro-tena “défensif” izy taminio lalao famaranana io. Nampilalao “milieu” roa somary milalao sisiny izy ireo mba hanakanana ireo “latéral” roa Breziliainina (R. Carlos, Cafù) izay tena nilalao ambony dia ambony tokoa. ry nampiasa vodilaharana afovoany 3 mba hanakanana ireo mpamono baolina telo : Ronaldo, Ronaldhino ary Rivaldo. Na dia nanao izay vitany ary moa ry zareo Mannschaft dia niondrika tamin’ny isa 2 - 0 ry zareo izay baolina matin’ny Ronaldo.

Atotan’isa vitsivitsy nandritry ny fifanintsanana rehetra :

Nombre total de buts : 161
Meilleure attaque : Brésil (18 buts)
Ballon d’or de la coupe du monde 2002 : Olivier Kahn
Meilleur buteur: Ronaldo (8 buts)

Portrait  #2 :Denis BergkampIzy dia mpilalao "hollandais" nanana ny naha izy azy tamin'ny 90 tany. Nilalao tamin'ny seha...
23/10/2022

Portrait #2 :

Denis Bergkamp

Izy dia mpilalao "hollandais" nanana ny naha izy azy tamin'ny 90 tany. Nilalao tamin'ny sehatry ny matianina tamin'ny taona 1990 ka hatramin'ny 2000. Izy dia nilalao tao amin'ny klioba Ajax, Inter ary Arsenal tamin'ny fotaon'androny. Ny tena nampiavaka azy ity ankaotran'ny ireo fihetsika feno teknika dia ny fatahorany fiara- manidina (phobie) ka matetika dia tsy milalao izy rehefa tsy milalao eo amin'ny tokotonaniny ny ekipany ka mila mandeha raopilanina.

Natao ity pejy ity mba amelomana indray ireo tantara nanamarilka ny baolina kitra fahiny. Maro ny tranga, tantara nahafi...
21/10/2022

Natao ity pejy ity mba amelomana indray ireo tantara nanamarilka ny baolina kitra fahiny. Maro ny tranga, tantara nahafinitra tamin'ny tontolo'ny Baolina kitra ka manasa antsika rehetra hanaraka ny pejy fa ho asina publications mahafinaritra foana.

Portrait  #1 :Izy no Baggio ilay kitan'ny baolina kitra Italianina izay nilalao tamin'ny taona 1982 ka hatramin'ny 2004....
21/10/2022

Portrait #1 :

Izy no Baggio ilay kitan'ny baolina kitra Italianina izay nilalao tamin'ny taona 1982 ka hatramin'ny 2004. Izy moa dia nahazo ilay mari-pankasitrahana antsoina hoe "Ballon d'or" tamin'ny taona 1993.

Address

Antananarivo Ville
Antananarivo
101

Telephone

+261348850505

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Kitra Retro posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category