06/06/2026
Niezaka hatramin’ny farany ianareo, niaro ny voninahitr’i Madagasikara ary nampiseho tamin’izao tontolo izao fa manana toerana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny basikety malagasy.🇲🇬🏀
Na dia resin’i Frantsa🇨🇵 aza tamin’ny isa 16 – 10, dia fandresena ho an’ny firenena ny herim-po, ny finiavana ary ny firaisankina nasehonareo. 💪🫡
🦅Mankasitraka anareo Ankoay! Misaotra tamin’ny ady natao, misaotra nampirehareha an’i Madagasikara. ❤️🇲🇬
Tsy mifarana eto ny tantara, fa vao fiandohan’ny dingana lehibe kokoa.
🦅ALEFA ANKOAY! 🇲🇬🏀
📷: FCBM - Fan Club Basketball Malagasy